Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Fanomezana
Apparence
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Manova an'i
Noely
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Zavatra Wikidata
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
[[Sary:The_visit_of_the_wise-men.jpg|vignette|269x269px|Famangian' ny [[Magy]]]] Ny '''Noely''' na '''Krismasy''' dia andro firavoravoana [[Kristianisma|kristiana]] izay ankalazana sy ahatsiarovana ny [[Fahaterahan' i Jesoa|nahaterahan' i Jesoa Kristy]]. Aorian' ny [[Paska]] (na Paka) dia ny Noely no andro fety manan-danja indrindra amin' ny [[Tetiandro litorjika kristiana|alimanakan' ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana]]. Ny andron' ny Noely anefa dia tsy fitsingerenan' ny [[andro nahaterahan' i Jesoa]] fa daty nifanarahana fotsiny hanaovana ny fankalazana. Ny [[Katôlisisma|fiangonana katôlika]] sy ny [[Prôtestantisma|fiangonana prôtestanta]] dia mankalaza ny Noely amin' ny 24 sy 25 Desambra. Ny [[Kristianisma ôrtôdôksa|fiangonana ôrtôdôksa]] dia mankalaza ny nahaterahan' i Jesoa amin' ny andron' ny [[Epifania]] amin' ny volana Janoary. Tsy misy soratra ao amin' ny [[Baiboly]] izay mandidy ny fankalazana ny Noely. Noho izany dia ao ireo fiangonana mankalaza ary ao koa ireo tsy mankalaza izany. Ankehitriny dia maro ny olona mankalaza ny Noely na Krismasy tsy mampifandray izany amin' ny resaka fivavahana. Tamin' ny taonjato faha-4 no nanombohana nankalaza ny Noely izay niely tsikelikely eran' i [[Eorôpa]] sy manerana ny tany lemaka manodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]]. Izany fety fankalazana ny [[fahaterahan' i Jesoa]] izany dia nihanisolo ireo fety manam-pifandaisana amin' ny andro manodidina ny 21 na 22 Desambra toy ny fety jermanika atao hoe ''[[Yule]]'', ny fetin' i [[Mitra (andriamanitra)|Mitra]] (''jereo koa'' [[Mitraisma]]), ny [[Satornaly]] rômana, sns. Naseho ho toy ny masoandron' ny fahamarinana ao amin' ny andro vaovao i Jesoa Kristy, ka ny fahaterahany dia manokatra ny [[taona litorjika]] amin' ny fotoana anaovana ny [[lamesa]] misasaka alina. Ny fitantarana ny nahaterahan' i Jesoa araka ny [[Evanjely]] no fiaingan' ny famoronana zavakanto nandritra ny taonjato maro (ao ny hosodoko, ny sokitra, ny mozika, ny asa soratra) izay nohamafisin' ny fielezan' ny fampiasana ny tranon' omby sy ny fandrian-jazakely, nefa ireo fombafomba sy zavatra manam-pifandraisana amin' ny fety tsy kristiana tany aloha dia tafiditra ao koa. Ny [[hazokesika]] nampiasain' ny vahoaka jermanika sy ny vahoaka any amin' ny [[Eorôpa Avaratra|faritra avaratr' i Eorôpa]], izay mariky ny [[zavaboary]] velona misedra ny [[ririnina]] dia nomena haja nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 sady tafiditra tany am-piangonana. Ankehitriny ny [[Hazon' ny Noely|hazo Noely]] dia lasa evan' ny fotoana ankalazana ny faran-taona, ka niaraka tamin' ny fialan' ny fivavahana kristiana avy ao Eorôpa amin' izao andro izao. Ilay fanao ahitana an' i [[Dadabe Noely]], izay niely eran' izao tontolo izao tamin' ny taonjato faha-20, dia nameno izany fivoarana izany ka nanampy singa ivelam-pivavahana amin' ity fety kristiana ity, izay mitodika kokoa any amin' ny ankizy sy ny fianakaviana ary ny fanomezana. Iray amin' ireo fetim-pahaterahana ankalazain' ny Fiangonana katôlika ny Noely, ny roa hafa dia ny fahaterahan' i [[Joany Batista]] (24 Jona) sy ny [[Fahaterahan' i Maria (fety kristiana)|fahaterahan' i]] [[Maria (renin' i Jesoa)|Masina Maria]] (8 Septambra). == Fiforonan-teny == === Ny teny hoe ''Noely'' === Ny teny hoe ''noely'' dia avy amin' ny [[teny frantsay]] hoe ''noël'' izay avy amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''natalis'' izay midika hoe "momba ny fahaterahana". Io teny io dia iray fototra amin' ny teny maro ao amin' ny [[fiteny rômana]] (frantsay; ''noël'', [[Fiteny italiana|italiana]]: ''natale'', [[Fiteny ôksitana|ôksitana]]: ''nadal'' na ''nadau'', [[Fiteny katalàna|katalana]]: ''nadal'', [[Fiteny portogey|pôrtogey]]: ''natal'', sns). Ny [[mpamari-toetra]] [[Fiteny latina|latina]] hoe ''natalis'' izay midika hoe "momba ny fahaterahana" (avy amin' ny teny hoe ''natus'' "teraka", "ateraka"), izay nakambana tamin' ny teny latina hoe ''dies'' "andro" tao amin' ny fitenenana hoe ''natalis dies'' "andro nahaterahana". Na dia avy amin' ny teny frantsay ny teny hoe ''Noely'' dia tsy ny [[Katôlisisma eto Madagasikara|Katôlika malagasy]] ihany no mampiasa azy eto [[Madagasikara]]. === Ny teny hoe ''Krismasy'' === Ny teny hoe ''Krismasy'' na ''Kirisimasy'' dia fanagasiana ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] hoe ''Christmas'' izay fanafohezana ny hoe ''Christ's mass''. Nosoratana tamin' ny teny anglisy tranainy hoe ''Crīstesmæsse'' io teny io tamin' ny taona 1038 ary ''Cristes-messe'' tamin' ny taona 1131. Ny teny hoe ''Crīst'' (izay miova hoe ''Crīstes'' raha milaza tompomn-javatra) dia avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''Χριστός / Khrīstos,'' izay fandikana ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe מָשִׁיחַ / ''Māšîaḥ'' (izay midika hoe "voahosotra", "mesia"). Ny teny hoe ''mæsse'' kosa dia avy amin' ny teny latina hoe ''missa'', izay midika hoe "fankalazana", izay nanondroana ny fankalazana ny [[eokaristia]] na ny [[fanasan' ny Tompo]] ("fankalazana an' i Kristy" na "lamesan' i Kristy"). Ny [[Prôtestantisma eto Madagasikara|Prôtestanta malagasy]] no tena mampiasa ny teny hoe ''Krismasy'' na ''Kirisimasy''. == Ny fahaterahan' i Jesoa Kristy == Ny [[Fahaterahan' i Jesoa|fahaterahan' i Jesoa Kristy]] izay ankalazaina amin' ny Noely na Krismasy dia tantaraina ao amin' ny [[Filazantsara araka an' i Matio|Evanjelin' i Matio]] sy ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|an' i Lioka]]. Izy roa ireo dia samy mitantara fa naterak' i [[Maria (renin' i Jesoa)|Maria Virjiny]] tao [[Betlehema]] i Jesoa. === Fitantarana ao amin' ny Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka === Ny Evanjelin' i Lioka dia mitantara fa nandeha avy tany [[Nazareta]] hankany [[Betlehema]] i [[Jôsefa (vadin' i Maria)|Jôsefa]] sy i [[Maria (renin' i Jesoa)|Maria]] mba hosoratana anarana tamin' ny fanisam-bahoaka natao tany, ary teraka tao i Jesoa sady nampandrina tanatin' ny fihinanam-bilona. Nisy [[anjely]] nanambara an' i Jesoa ho mpamonjy ny olona rehetra ary nisy koa mpiandry ondry tonga nitsaoka azy. === Fitantarana ao amin' ny Vaovao Mahafaly araka an' i Matio === Ny [[Filazantsara araka an' i Matio|Evanjelin' i Matio]] kosa nanampy fa nisy [[Magy ao amin' ny Baiboly|Magy]] (na Majy) nanaraka kintana iray izay nizora nankany Betlehema, sady nitondra fanomezana ho an' i Jesoa izay teraka ho mpanjakan' ny [[Jiosy]]. Nampamonoin' ny mpanjaka [[Herôda Lehibe|Herôda]] ny zaza rehetra latsaky ny roa taona tao Betlehema, nefa i Josefa sy i Maria ary ny zazakely efa nandositra tany [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Ejipta]] ka rehefa niverina avy any izy dia nankay Nazareta. == Tantaran' ny Noely == [[Sary:Albert_Chevallier_Tayler_-_The_Christmas_Tree_1911.jpg|vignette|''Hazo noely tamin' ny taona 1911'', sary nataon' i Albert Chevallier Tayler, 1911.|191x191px]] Tsy voalazan' ny [[Baiboly]] ho nankalaza Noely ny Kristiana tany am-piandohana. === Fety heverina fa nipoirany === Talohan' ny naha kristiana ny Tandrefana dia nantsoina hoe ''Dies Natalis Solis Invicti'' ("Andro Nahaterahan' ny Masoandro Tsy Resy") ny datin' ny 25 Desambra. Isan' ireo [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitry]] ny Rômana i [[Masoandro Tsy Resy|Sol Invictus]] ("[[Masoandro Tsy Resy]]") tamin' izany. Tamin' ny nanjakan' ny emperora rômana Aoreliano (frantsay: ''Aurélien'') (taona 270–275) dia nataony ho andro firavoravoana lehibe hankalazana ny nahaterahan' io [[andriamanitra masoandro]] io ny 25 Desambra. Mifanandrify amin' ny andro nahaterahan' ny andriamanitra rômana taloha [[Mitra (andriamanitra)|Mitra]] (izay azony avy any [[Persia]]) io daty io, dia nankalazana miaraka ny fetin' ireo andriamanitra roa ireo. Fetin' ny fandresen' ny mazava ny haizina izany. Ity firavoravoana ity dia nanaraka ny [[Sinkretisma|fampiharoharoam-pivavahana]] nataon' i [[Kônstantino I|Kônstantino]] izay nanendry an' io 25 Desambra io hiarahan' ny [[Kristianisma|Kristiana]] sy ny [[Jentilisa]] (Jentily) na ny mpanompo sampy samy tsy hiasa amin' io andro io<ref><small>"Noël", in ''Encyclopædia Universalis'', 1996, CD-ROM</small></ref>. === Lasa fety kristiana taty aoriana === [[Sary:Charles_Le_Brun.jpg|vignette|212x212px|''Ny fahaterahan' ny Mpamonjy'', sary nataon' i Charles Le Brun, 1689]] Rehefa lasa kristiana ny kolontsaina tany Andrefana dia nisy didim-panjakana nivoaka tany [[Tesalônika]] nandrara ireo fanompoam-pivavahan' ny mpanompo sampy ka ny Kristiana irery ihany no nankalaza sy lasa tompon' io fety io. Tsy milaza na ny taona na ny andro nahaterahan' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]] ireo [[Filazantsara]] (na Vaovao Mahafaly) efatra. I [[Ôrigenesy avy any Aleksandria|Ôrigenesy]] (frantsay: ''Origène'') dia isan' ireo tsy nanaiky ny fankalazana ny Noely. Tsy nankalazaina ho fety kristiana izany raha tsy afaka taonjato telo taty aorian’ ny nahaterahan' i Jesoa Kristy. I [[Hipôlito (mpanoratra)|Hipôlito avy any Rôma]] (frantsay: ''Hyppolyte de Rome'') no nilaza fa teraka 25 Desambra i Jesoa raha nanao ny hevitenin' ny [[Bokin' i Daniela]] izy tamin' ny taona 204. Tamin' ny taonjato faha-17 ireo firenena nandray ny fivavahana vokatry ny [[Fanavaozam-piangonana|refôrmasiôna]] (na refôrma, fanavaozam-piangonana) dia tsy nankasitraka ny fankalazana ny Noely izay heveriny ho mitovy endrika loatra amin' ny fetin' ny mpanompo sampy na ny fety katôlika. Noleferiny ihany izany taty aoriana ka lasa fanao. Amin' izao fotoana izao dia mankalaza Noely ny ankamaroan' ny Kristiana. Toraka izany koa na ny tsy Kristiana izay manao azy ho fetim-pianakaviana fotsiny ka lasa betsaka ireo fombafomba tsy misy ifandraisany amin' ny fivavahana kristiana izay ankalazany ny Noely. == Daty ankalazana ny Noely == === Fiangonana katôlika rômana sy fiangonana prôtestanta === Tamin' ny andron' ny Papa [[Liberio (papa)|Liberio]] (frantsay: ''Libère'') (taona 352 – 356) dia noraiketina ho amin' ny 24 Desambra hariva sy 25 Desambra tontolo andro ny andro ankalazana ny nahaterahan' i Kristy. Ny [[Rain' ny Fiangonana]] (na Aban' ny Eglizy) dia tsy nanohitra ny fisafidianana an' io daty io satria manamafy ny fahatongavan' ny [[Mesia]] izay nambara fa kintana miposaka (Lio. 1.78)<ref><small>76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany. 77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony, 78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.(Lio. 1.76-78 - ''Ny Baiboly'')</small></ref> sady masoandron' ny fahamarinana araka ny voalazan' ny mpaminany [[Bokin' i Malakia|Malakia]] (Mal. 3.20)<ref><small>"Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy" (Malakia 3.20 - ''Ny Baiboly'')</small></ref>. I Kristy no ilay "tena masoandro" sy "masoandro vaovao" izay mamirapiratra eto amin' izao tontolo izao. === Fiangonana ôrtôdôksa sy fiangonana tatsinanana === Ny [[Kristianisma ôrtôdôksa|Fiangonana ôrtôdôksa]] dia mankalaza Noely amin' ny 6 sy 7 Janoary izay mifanadrify amin' ny fetin' ny [[Epifania]]. == Ny Noely ao amin' ny tetiandro litorjika == Ny fizaràn-taon' ny Noely na Krismasy dia manaraka ny [[Advento]] (na Fiaviana). Ireo andro roa ambin' ny folon' ny Noely tany aloha dia manomboka amin' ny harivan' ny 24 Desambra miaraka amin' ny Sasakalin' ny Noely (fiaretan-torin' ny Noely) ary mitohy hatramin' ny fetin' ny [[Epifania]]. Ny fari-potoan' ny Noely dia mitohy hatramin’ ny fetin' ny batisan' i Kristy, izay ankalazaina amin' ny endrika ahalalana azy amin' izao fotoana izao amin' ny fombam-pivavahana rômana amin' ny Alahady aorian' ny 6 Janoary na ny Alatsinainy manaraka raha an' ny Epifania io Alahady io<ref><small>[http://www.maternalheart.org/library/1962rubrics.pdf Code of Rubrics included in the 1962 Roman Missal], 72 (PDF)</small></ref>. Talohan' ny taona 1970 dia nankalazaina amin' ny 13 Janoary io fety io, afa-tsy hoe io 13 Janoary io Alahadin' ny [[Ankohonana Masina]] izay ankalazaina asolo azy. Hatramin' ny nanafoanana ny Valo andron' ny Epifania (na Ôktavan' ny Epifania) tamin' ny fanavaozana natao tamin' ny 1960 dia andron' ny Valo andron' ny Epifania ny 13 Janoary, izay manondro ny daty famaranana ny fizaràn-taona. Araka ny fomba tranainy dia ny 2 Febroary no fifaranan' ny Noely, na fetin' ny Fanehoana ny Tompo (fanehoana azy tany amin' ny tempoly), izay antsoina hoe koa Fetin' ny Fanazavana. Io fety io dia itantarana ireo 40 andro fialan-tsasatr' i [[Maria (renin' i Jesoa)|Maria]] talohan' ny hidiovany sy hitondrany ny zanany haseho any amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema]]<ref><small>"Feast of the Purification (Candlemas)". www.fisheaters.com.</small></ref>. Tamin' ny [[Andro Antenatenany]], ny andro alohan' ny Fanazavana (1 Febroary) dia nanamarika ny andro anesorana ny haingon' ny Noely, isan' izany ny [[hazon' ny Noely]] sy ny fampisehonana ny tantaran' ny Fahaterahan' ny Mpamonjy. Ny fomba fanao izay manapitra ny Noely amin' ny fetin' ny Fanazavana dia nihamaty, afa-tsy ao amin' ny faritra [[Fiteny espaniôla|miteny espaniôla]] eto amin' izao tontolo izao izay mbola manome lanja ny Fetin' ny Fanazavana ([[Fiteny espaniôla|espaniôla]]: ''Fiesta de la Candelaria'') sady fiafarana tsy ôfisialin' ny fizaràn-taon' ny Noely. Ny fotsy no loko litorjika ampiasaina amin' ireo fotoan' ny Noely ireo. == Ny Hazo Noely sy i Dadabe Noely == === Ny hazon' ny Noely === [[Sary:Christmas Tree (1).jpg|vignette|208x208px|Hazon' ny Noely]][[Sary:Strasbourg_capitale_de_Noël_grand_sapin_2014_02.jpg|vignette|[[Hazon' ny Noely|Hazo Noely]] lehibe tao [[Strasbourg]] tamin' ny taona 2014.|267x267px]] Ny [[hazon' ny Noely]] na hazon' ny Krismasy dia hazo na sary hazo nohaingoina sy noravahana ao am-piangonana na any an-tokantrano na eny amoron-dalana na eny an-jaridaina, mba hoenti-mankalaza ny Noely. Ny hazon' ny Noely, ankehitriny, dia ravahana amin' ny alalan' ny bolan' ny Noely sy girlandy tsotra, na miravaka jiro na [[labozia]] ary zavatra madinika isan-karazany fanaingoana, ahitana kintana maro, ka ny lehibe indrindra dia apetraka eny amin' ny tampon' ny hazon' ny Noely. Ny [[zavamaniry]] atao hazon' ny Noely dia amidy efa avy notapahina na avarotra anaty tavy, ka ity farany ity dia azo avela ho velona mba hampiasaina amin' ny Noely manaraka. Misy koa ny manao hazon' ny Noely eny ivelan' ny trano: eny an-tokontany na ao an-jaridaina. Ny fampiasana hazon' ny Noely namboarina (vita amin' ny [[plastika]]) dia fomba iray ialana amin' ny fanapatahana hazo, nefa ny fampiasana izany dia tsy azo lazaina ho fomba anajana kokoa ny [[Tontolo iainana|tontolo iainanana]] raha mitaha amin' ny hazon' ny Noely voajanahary, noho ny fandotoana mety ateraky ny fanariana azy rehefa tsy azo ampiasaina intsony. Toy ny amin' ny Noely na Krismasy ihany dia tsy misy firesahana momba ny hazon' ny Noely ny ao amin' ny [[Baiboly]]. Izany anefa tsy mahasakana ny mpiaro io fomba io hanamarina azy amin' ny fampahatsiahivana andalana sasany ao amin' ny [[Baiboly]]. === I Dadabe Noely === [[Sary:Papa Noel en la puerta de una jugueteria. Buenos Aires. Diciembre 2013..jpg|vignette|I [[Dadabe Noely]] eo am-baravaran' ny fivarotana kilalao; [[Buenos Aires]] ([[Arjentina|Arzantina]]), Desambra 2013.|185x185px]] I [[Dadabe Noely]] dia rangahy iray tantarain' ny angano fa be volom-bava fotsy, bebe kibo, sariaka, mitafy mena misy morona volom-biby fotsy, ary mitondra fanomezana kilalao sy vatomamy ho an' ny ankizy hendry mandritra ny Noely na Krismasy. Mipetraka any amin' ny [[Tendrontany Avaratra]] izy, voahodidin' ny andiana [[elfa]] kely manamboatra kilalao. Ny Dadabe Noely fantatra ankehitriny dia noforonin' ilay mpanoratra amerikana Clement Clarke Moore (ao amin' ny tononkalony mitondrany lohateny hoe ''A Visit from St. Nicholas'' na ''The Night Before Christmas'') tamin' ny taona 1822, tamin' ny alalan' ny fanambatambarany angano maromaro avy amin' ny vahoakan' ny firenena samihafa nifindra monina tany [[Etazonia]] izy, indrindra fa i [[Masindahy Nikôla]], izay atao amin' ny [[Fiteny holandey|teny hôlandey]] hoe ''Sinter Klaas''. Tamin' ny taona 1860 vao nananana ny endriny ahafantarana azy ankehitriny i Dadabe Noely tamin' ny alalan' ny sary nataon' i Thomas Nast. == Fiangonana tsy mankalaza Noely == Tamin' ny taonjato faha-17, tao [[Angletera]], dia tsy nankalaza Noely ny [[Poritanisma|Poritana]] satria heveriny fa fetin' ny fahamamoana io fety io, sady zavatra noforonin' ny Katôlika, famantarana ety ivelany ny fanjakazakan' ny [[papa]]. Misy fiangonana sy sekta ary fikambanana ao amin' ny [[Hetsika famerenana amin' ny laoniny|Hetsika Restaorasiônista]] mandà ny fitandremana ny Krismasy noho ny antony ara-teôlôjia, anisan' izany: * ny [[Vavolombelon' i Jehovah]]; * ny [[Fiangonana Jesosy Marina]] (''True Jesus Church''); * ny [[Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito)]]; * ny [[Iglesia ni Cristo]] any [[Etazonia]] sy any [[Brezila]]; * ny [[Kôngregasiôna Kristiana any Brezila]]; * ny [[Kôngregasiôna Kristiana any Etazonia]]; * ny [[jodaisma mesianika]]; * ny ankamaroan' ny [[Sabatarianisma|sabatariana]]: toy ny "[[Fiangonan' i Jesoa Marina]]" sy ny "[[Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito)|Fiangonan' Andriamanitra (Andro fahafito)]]", ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]]; ny [[Armstrôngisma|Armstrôngita]]; * ny [[Fiangonana nohavaozina|fiangonana refôrme]] sy [[Fôndamentalisma kristiana|fondamentalista]] sasany manana faharesen-dahatra isan-karazany, toy ny [[Batisma Mahaleo Tena|Batista Mahaleo Tena]], mpikambana ao amin' ny [[Hetsiky ny Fanamasinana]], ny [[Pentekôtisma onitariana|Pentekôtista Apôstôlika]] (''Oneness Pentecotism'') ary ny [[Fiangonan' i Kristy]]. Tsy mankalaza Noely ny [[Vavolombelon' i Jehovah]] satria, amin' izy ireo, tsy nodidian' i [[Jesoa]] ny fankalazana ny fahaterahany sady tsy fomba [[jiosy]] na kristiana ny fankalazana ny [[fitsingerenan' ny andro nahaterahana]] fa fomban' ny [[Fanompoan-tsampy|mpanompo sampy]]<ref><small>"[https://www.jw.org/mg/vavolombelon-i-jehovah/fanontanian-ny-olona/nahoana-no-tsy-manao-krismasy/ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Krismasy?]" Jw.org</small></ref> <ref><small>"[https://www.jw.org/mg/fampianaran-ny-baiboly/fanontaniana/ny-baiboly-sy-ny-krismasy/ Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Krismasy?]", Jw.org</small></ref> <ref><small>"[https://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/wp20151201/zava-misy-rehefa-krismasy/ Inona no Maharatsy ny Krismasy?]", Jw.org</small></ref>, ary ny Krismasy rahateo dia avy amin' ny fetin' ny mpanompo sampy. Tsy mankalaza Noely koa ny ''Grace Communion International'' (izay [[Evanjelisma|fiangonana evanjelika]])<ref><small>[https://rcg.org/fr/brochures/ttooc-fr.html La véritable origine de Noël] [[https://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=http%3A%2F%2Frcg.org%2Ffr%2Fbrochures%2Fttooc-fr.html archive]] - David C. Pack, L’Église de Dieu restaurée.</small></ref> sy ny ''Christian Churches of God''<ref><small>[http://french.ccg.org/s/p235.html Les Origines de Noël et des Pâques] [[https://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=http%3A%2F%2Fwww.ccg.org%2Ffrench%2Fs%2Fp235.html#federation=archive.wikiwix.com&tab=url archive]] - Les Églises Chrétiennes de Dieu (Christian Churches of God).</small></ref>. == Noely, andro fety na tsia, arakaraka ny firenena == Ny firenena eto amin' izao tontolo izao dia samy manana ny fandraisany ny andro Noely, ka ao ireo manao izany ho andro fety, ary ao ireo izay tsy manao izany ho andro fety. Ny firenena toa an' i Japàna, izay tsy manao ho tsy fiasana ho an' ny besinimaro ny Krismasy nefa ahitana Kristiana vitsy, dia nandray lafiny maro amin' ny endrika ny fankalazana ny Krismasy tsy ara-pivavahana, toy ny fanolorana fanomezana sy ny fanaingoana trano ary ny hazo krismasy. === Firenena ankalazana ny Noely sy anaovana azy ho andro tsy fiasana === [[Sary:Countries that recognize Christmas as a Public Holiday.svg|vignette|284x284px|Sarintany maneho ny firenena ankalazana ny Krismasy, amin' ny 24/25 Desambra na ny 6/7 Janoary. Ny loko matroka dia manao ny andro Noely ho "Andro fitsaharana".]] Ankalazaina sy atao andro tsy fiasana ny Krismasy ao amina firenena miisa 163 sy fizaràn-tany miisa 2, ireto avy izany: [[Albania]], [[Alemaina]], [[Andôra]], [[Angôla]], [[Antigoa-sy-Barboda]], [[Arjentina|Arzentina]], [[Armenia]], [[Aostralia]], [[Aotrisy]], [[Bahamasy]], [[Bangladesy]], [[Barbady]], [[Bielôrosia]], [[Belzika]], [[Belizy]], [[Benîno]], [[Bôlivia]], [[Bôsnia-Herzegôvina]], [[Bôtsoana]], [[Brezila|Brezily]], [[Broney]], [[Bolgaria]], [[Borkina Fasô]], [[Borondy]], [[Danemarka]], [[Dôminika]], [[Timôro Atsinanana]], [[Ekoadôra]], [[Ejipta]], [[Salvadôro]], [[Ginea Ekoatôrialy]], [[Eritrea]], [[Estônia]], [[Esoatiny]], [[Etazonia]], [[Etiôpia]], [[Fanjakana Mitambatra]], [[Fijy]], [[Filipina]], [[Finlandy]], [[Frantsa]], [[Gabôna]], [[Gambia]], [[Ganà]], [[Grisy|Grisia]], [[Goatemala]], [[Ginea]], [[Ginea Bisao|Ginea-Bisao]], [[Grenady]], Guyana, [[Haitỳ|Haity]], [[Hôndorasy]], [[Hong Kong]] ([[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]]), [[Hôngria]], [[Islandy]], [[India]], [[Indônezia]], [[Iràka]], [[Irlanda|Irlandy]], [[Italia]], [[Jamaîka|Jamaika]], [[Jeôrjia]], [[Jibotỳ|Jiboty]], [[Jôrdania]], [[Kamerona]], [[Kanada]], [[Kapvera]], [[Kazakstàna]], [[Kenia|Kenià]], [[Repoblikan' i Kipra|Kiprôsy]] (na [[Repoblikan' i Kipra|Sipra]]), [[Kiribaty]], [[Kirgizistàna]], [[Kiobà]], [[Kôlômbia]], [[Kôsta Rika]], [[Kôrea Atsimo]], [[Kôsôvô]], [[Kôtidivoara]], [[Krôasia|Krôatia]], [[Letônia]], [[Libàna]], [[Lesôtô]], [[Liberià]], [[Liktenstaina]], [[Litoania]], [[Loksemborga]], [[Makao (Sina)]], [[Madagasikara]], [[Malaoỳ|Malaoy]], [[Malezia|Malaizia]], [[Malỳ|Maly]], [[Malta]], [[Nosy Marsaly]], [[Maorisy]], [[Meksika]], [[Mikrônezia]], [[Môldavia]], [[Mônakô]], [[Môntenegrô]], [[Môzambika]], [[Mianmara]], [[Namibia]], [[Naoro]], [[Nepaly]], [[Nederlandy]], [[Zelandy Vaovao]], [[Nikaragoa]], [[Nizera]], [[Nizerià]], [[Masedônia Avaratra|Makedônia Avaratra]], [[Nôrvezy]], [[Oganda]], [[Okraina]], [[Orogoay]], [[Palaô]], [[Palestina]], [[Panama|Panamà]], [[Papoazia-Ginea-Vaovao]], [[Paragoay]], [[Però|Pero]], [[Pôlônia]], [[Pôrtogaly]], [[Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]], [[Repoblika Dôminikana]], [[Repoblikan' i Kôngô]], [[Repoblikan' i Afrika Afovoany]], [[Romania]], [[Rosia]], [[Roanda]], [[Santa-Kity-sy-Nevisy|Santa Kity-sy-Nevisy]], [[Santa Losia]], [[Santa-Vinsanta-sy-Grenadina]], [[Samôa]], [[San-Marîno|San-Marînô]], [[Saô Tôme e Prinsipe]], [[Senegaly]], [[Serbia]], [[Seisely]], [[Siera Leôna]], [[Singaporo]], [[Silia|Sily]], [[Slôvakia]], [[Slôvenia]], Nosy Solomon, [[Afrika Atsimo]], [[Espaina]], [[Srilanka]], [[Sodàna]], [[Sodàna Atsimo]], [[Sorinama]], [[Soeda]], [[Soisa]], [[Siria]], [[Tanzania]], [[Tôgô]], [[Tônga]], [[Trinite-sy-Tôbagô]], [[Tovalo]], [[Tsady]], [[Tsekia]], [[Vanoato]], [[Vatikàna|Vatikana]], [[Venezoela]], [[Zambia]], [[Zimbaboe]]. === Firenena ankalazana ny Noely nefa tsy manao azy ho andro tsy fiasana === [[Sary:Map of Countries that do not recognize Christmas as Public Holiday.svg|vignette|Manja matroka: firenena tsy manao ny Krismasy amin' ny 25 Desambra na 7 Janoary ho andro tsy fiasana. Manja tanora: firenena tsy manao ny Krismasy ho andro tsy fiasana ho an' ny daholobe, fa nefa manome alalana ny fankalazana an' ilay fety.|250x250px]] Indreto ny firenena miisa 21 ankalazana ny Noely nefa tsy manao azy ho andro tsy fiasana: [[Azerbaijàna]], [[Bareina]], [[Kambôdia]], [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], [[Kômôro]], [[Iràna]], [[Israely]], [[Japàna]], [[Kôety|Kôeity]], [[Laôsy]], [[Maldiva]], [[Môngôlia]], [[Marôka]], [[Ômàna]], [[Pakistàna]], [[Katara]], [[Tailandy]], [[Torkia]], [[Emirata Arabo Mitambatra]], ary [[Vietnamy]]. Marihina fa any [[Taioàna|Taiwan]], ny 25 Desambra dia ankalazaina amin' ny maha "Andron' ny Lalàm-panorenana" azy fa tsy andro tsy fiasana ôfisialy. Any [[Pakistàna]] dia andro tsy fiasana ny 25 Desambra, saingy tsy natao hankalazana ny Krismasy fa ho an' ny fitsingerenan' ny andro nahaterahan' i [[Muhammad Ali Jinnah]], mpanorina an' i Pakistàna. === Firenena tsy manao ny andro Noely ho andro tsy fiasana === Indreto ny firenena miisa 14 tsy ankalazana ny andro Noely sady tsy manao azy ho andro tsy fiasana. I [[Afganistàna]], i [[Aljeria|Alzeria]], i [[Botàna]], i [[Kôrea Avaratra]], i [[Libia]], i [[Maoritania]], ny [[Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika|Repoblika Demôkratika Arabo Sahraoy]], i [[Arabia Saodita]], i [[Sômalia]], i [[Tajikistàna]], i [[Tonizia]], i [[Torkmenistàna]], i [[Ozbekistàna]], ary i [[Iemena]] dia tsy manao ny Noely na Krismasy ho andro tsy fiasana. == Jereo koa == === Fety kristiana === * [[Paska]] * [[Pentekôsta]] na [[Pentekôty]] * [[Advento]] na [[Advento|Fiaviana]] * [[Epifania]] === Olona === * [[Magy]] na [[Magy|Majy]] * [[Magy ao amin' ny Baiboly|Magy ao amin' ny Baboly]] * [[Anjely]] * [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] * [[Jôsefa (vadin'i Maria)|Jôsefa]] * [[Elizabeta (renin'i Joany)|Elizabeta]] * [[Zakaria (rain'i Joany)|Zakaria]] * [[Herôda Lehibe|Herôda]] === Hafa === * [[Taom-piangonana]] * [[Fahaterahan' i Jesoa]] == Loharano sy famarihana ==
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)
Entités de Wikidata utilisées sur cette page
Noely
: Liens de site, Description : mg