Aller au contenu

Toà (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 23 Desambra 2023 à 17:16 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
(fahasamihafana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fahasamihafana) | Endrika vaovao kokoa → (fahasamihafana)
Toà ao Oganda

Ny Toà dia vahoaka monina ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe ao Afrika, anisan' ny atao hoe Pigmea, izay fantatra amin' ny hakely sy ny hafohin' ny tenany. Izy ireo no heverina fa mponina tranainy indrindra ao amin' io faritra io. Ankehitriny dia ao Roanda, ao Borondy, ao Oganda ary amin' ny faritra atsinanana amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no ahitana azy ireo betsaka. Ahitana olona mitovitovy amin' ny Toà koa ny ao amin' ny alan' ny Lemak' i Congo (ny Môngô sy ny Mboty), toy izany koa ny any Angôla, Namibia, Zambia, Malaoy, ary Bôtsoana.

Ny faritra ao Afrika misy ny Toà (miloko maitso)

Tamin' ny taona 2000 dia tombanana eo anelanelan' ny 70 000 sy 87 000 ny isan' ny Toà, izay miparitaka amin' ny velaran-tany mirefy 100 000 km² any ho any. Vitsy anisa ny Toà raha mitaha amin' ny mponina hafa amin' ny firenena rehetra misy azy ireo (eo anelanelan' ny 0,02 sy 0,7 %). Iharan' ny fanilihana izy ireo na amin' ny lafiny ara-pôlitika na ara-toekarena, ary tsy afaka manohitra firy ny fanavakavahana mahazo azy ireo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]