Aller au contenu

Ozia

Avy amin'i Wikipedia

I Ozia na Oziasa izay atao hoe koa Azaria na Azariasa dia mpanjakan'i Jodà, zanak'i Amazia (na Amaziasa) tamin'i Jekolia, izay nanjaka nandritra ny 52 taona teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ao amin'ny Baiboly dia voalaza fa mpitari-tafika sady mpanjaka nampiroborobo ny fanorenana izy sady nampandroso koa ny fambolena talohan'ny nahazoan'ny aretina haboana azy. Nitovitovy vaninandro iainana tamin'ny mpaminany Isaia (na Izaia) sy Hosea (na Osea) ary i Amosa (na Amosy) izy.

Atao hoe עֻזִּיָּה /ʿUziyāh na עֲזַרְיָה /ʿAzaryāh na עֲזַרְיָהוּ /ʿAzaryāhû izy amin'ny teny hebreo fa ᾿Οζίας / Ozias na ᾿Αζαρίας / Azarias amin'ny teny grika ary Ozias na Azarias amin'ny teny latina. Ny dikan'ny anarana hebreo hoe עֻזִּיָּה (ʿUziyāh) dia "heriko i Iahveh" - fa ny hoe עֲזַרְיָה (ʿAzaryāh) na עֲזַרְיָהוּ (ʿAzaryāhû) dia "nanampy i Iahveh".

Jereo koa: