Aller au contenu

Mesôpôtamia

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin'i Mesopotamia sy i Siria ahitana ny sisin-tanin'ireo firenena ankehitriny.

I Mesopotamia na Mezopotamia dia faritra tany Atsinanana Akaiky izay hita teo anelanelan'ny ony Tigry (na Tigra na Tigrisy) sy Eofrata sady mifanandrify amin'ny Iràka sy ampahany amin'i Siria ary i Iràna amin'izao fotoana izao.

Teny grika ny hoe Μεσοποταμία / Mesopotamía, ka ny hoe μεσο / meso midika hoe "anelanenan'ny" na "afovoana" ary ny hoe ποταμός / potamós midika hoe "ony", ara-bakiteny ny hoe Mesopotamia dia midika hoe "eo anelanelan'ny ony".

Nisy sivilizasiona sy firenana maro nifandimby na niara-nanjaka tao ka ireto no natanjaka tamin'ny Andro Taloha: ny Someriana, ny Kaldeana, ny Akadiana, ny Babiloniana sy ny Asiriana, ny Persiana ny Grika ary ny Romana. Nanomboka tany amin'ny taonjato faha-34 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-2 taor. J.K. izany tantara izany nefa misy zava-pantatra ihany talohan'io fari-potoana io.