Aller au contenu

Ozia

Avy amin'i Wikipedia

I Ozia na Oziasa izay atao hoe koa Azaria na Azariasa dia mpanjakan'i Jodà, zanak'i Amazia (na Amaziasa) tamin'i Jekolia, izay nanjaka nandritra ny 52 taona teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ao amin'ny Baiboly dia voalaza fa mpitari-tafika sady mpanjaka nampiroborobo ny fanorenana izy sady nampandroso koa ny fambolena talohan'ny nahazoan'ny aretina haboana azy. Nitovitovy vaninandro iainana tamin'ny mpaminany Isaia (na Izaia) sy Hosea (na Osea) ary i Amosa (na Amosy) izy.

Ny anarany

Atao hoe עֻזִּיָּה /ʿUziyāh na עֲזַרְיָה /ʿAzaryāh na עֲזַרְיָהוּ /ʿAzaryāhû izy amin'ny teny hebreo fa ᾿Οζίας / Ozias na ᾿Αζαρίας / Azarias amin'ny teny grika ary Ozias na Azarias amin'ny teny latina. Ny dikan'ny anarana hebreo hoe עֻזִּיָּה (ʿUziyāh) dia "heriko i Iahveh" - fa ny hoe עֲזַרְיָה (ʿAzaryāh) na עֲזַרְיָהוּ (ʿAzaryāhû) dia "nanampy i Iahveh".

Jereo koa:

Mpanjakan'i Jodà

Saoly - Isboseta - Davida - Solomona (na Salômôna) - Rehoboama (na Roboama) - Abiama (na Abia) - Asa - Josafata - Jehorama (na Jorama) - Ahazia (na Okoziasa) - Atalia - Joasy (na Joasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jotama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amona - Josia (na Josiasa) - Joahaza (na Joakaza) -Joiakima (na Joakima) - Joiakina (na Joasina na Jekonia na Jekoniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).