Aller au contenu

Setianisma

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny setianisma na ny gnôstisisma setiana dia iray amin' ny firehan' ny gnôstisisma nandritra ny taonjato faha-2 sy faha-3 taor. J.K., niaraka tamin' ny valentinianisma sy ny basilideanisma. Amin' ny teny grika ny mpanaraka izany dia atao hoe Σηθιανοί / Sethianoi. Araka ny voalazan' i John D. Turner dia nipoitra tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. ity endriky ny gnôstisisma ity izay fitambaran' ny filôzôfia jiosy helenista roa miavaka sady nandray singa avy amin' ny kristianisma sy avy amin' ny mediô-platônisma. Na izany aza, ny tena niandohan' ny setianisma dia tsy azo tsara.