Aller au contenu

Zanda

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Ny Fanjakana Zanda tamin' ny nahatrarany ny fara tampon' ny tanjany tamin' ny andron' i Karim Khan.

Ny Zanda dia tarana-mpanjaka avy amin' ny fanjakana kiordo-persana, nanapaka tao Iràna tamin' ny taona 1750 hatramin' ny taona 1794. Atao hoe زندیان / Zandiān izy ireo amin' ny teny persana. I Karim Khan Zand, izay nitondra voalohany an' ny faritra atsimo osy afovoany amin' i Iràna tamin' ny taonjato faha-18, no nanorina an' io dinastia io. Taty aoriana dia niitatra izany ka nahasahana ampahany be amin' ny sisa amin' i Iràna ankehitriny, toraka izany koa i Azerbaijàna sy i Bareina ary ampahany sasany amin' i Iràka sy i Armenia.

Ireto ireo mpanapaka sy mpajaka tao:

  • Karim Khan Zand, 1751–1779
  • Mohammad Ali Khan Zand, 1779
  • Abol-Fath Khan Zand, 1779
  • Sadeq Khan Zand, 1779–1782
  • Ali-Morad Khan Zand, 1782–1785
  • Jafar Khan, 1785–1789
  • Sayed Morad Khan, 1789
  • Lotf Ali Khan, 1789–1794

Jereo koa

Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia: