Aller au contenu

Ejipta

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

I Ejipta na Egipta na ny Repoblika Arabon' i Ejipta dia firenena ao amin' ny faritra atsinanan' i Afrika Avaratra. Manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mena izy ao atsinanana ary amin' ny Ranomasina Mediteranea ao avaratra. I Kahira (arabo: القاهرة / al-Qāhira) no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra aty Afrika. Ireo firenena manodidina azy dia i Israely ao avaratra-atsinanana sy i Sodàna ao atsimo ary i Libia ao andrefana. Mivelatra mankany amin' ny tendro atsinanan' i Afrika Avaratra i Ejipta sady mitohy mankany Azia noho ny fisian' i Sinay. Izany toerana misy an' i Ejipta izany no iheverana azy ho isan' ny faritra Atsinanana Akaiky (na Azia Andrefana). Atao hoe مصر / Miṣr i Ejipta amin' ny teny arabo, fa مصر / Maṣr kosa amin' ny teny arabo egiptiana (fiteny ifaneraserana). Manana velarana mirefy 1 001 450 km2 izy izay misy mponina miisa 76 117 421 tamin ' ny taona. Atao hoe Ejipsiana na Egiptiana ny vahoakan' io firenena io.

Ejipta
(Antsipirihany)
Teny Filamatra : «»
Sarintany
Fiteny arabo
Renivohitra Kairo
Praiminisitra Hazem Al Beblawl
Filoham-pirenena Adly Mansour
Velarantany 1 001 450 km²
Mponina
 - Manontolo (2004)
 - Hakitroka
Lisitra tanàna araka ny mponina
76.117.421 mponina
1120 mpo/km²
Anarana
Fahaleovantena 26 Jolay 1952
Finoana silamo : 90%;kôpta;katôlika
Sandam-bola sterlina ejipsiana
Faritra ora UTC +2
Faritra Internet .eg
Antso an-tariby 20










Ejipta

I Nily (na Neily), izay isan' ireo ony lava indrindra maneran-tany dia avokavoka ho an' i Ejipta: ao amin' ny lohasahan' i Nily sy amin' ny vinaniny ao amin' ny Ranomasina Mediteranea no ahitana ny ankamaroan' ny haren' i Ejipta. Ny 10 %n' ny tanin' i Ejipta monja anefa no misy mponina sady ahitana fambolena, ny sisa rehetra dia faritra karankaina.

Laharana faharoa aty Afrika ny toekaren' i Ejipta sady manana ny akony lehibe dia lehibe ao amin' ny faritra Atsinanana Akaiky. Malalaka sady sahanin' ny sehatra tsy miankina ny toekaren' i Ejipta ankehitriny raha nampanarahin' ny fanjakana teti-pampandrosoana izany tany aloha. Ny fambolena no seha-pihariana lehibe indrindra any. Ny solitany sy etona voajanahary no loharanon-karena mampidi-bola be indrindra, toraka izany koa ny fizahan-tany, vokatry ny fisian' ny toerana manan-tantara ahitana ny fasan' ireo faraôna taloha (piramida).

I Ejipta tamin' ny Andro Taloha dia nandrosoan' ny sivilizasionan’ i Ejipta taloha. Taty aoriana dia ny Arabo miozolmana no nanjakazaka tao. Tamin' ny taona 1869 dia vita ny lakandranon' i Suez izay nampitohy ny Ranomasina Mediteranea amin' ny Ranomasina Mena sady lasa lalana falehan' ny raharaham-barotra mampitohy ny Tontolo Tandrefana amin' ny faritra Atsinanana Akaiky. Tamin' ny taonjato faha-20 dia teo ambany fahefana sy fiarovan' ny Britanika i Ejipta. Tamin' ny taona 1953 no nanambaràna ny fahaleovan-tenan' i Ejipta. Taorian' izany ireo disadisa maro nifanaovany tamin' i Israely.

Ny 99 %n' ny mponina dia miangona ao amin' ny 4 %n' ny velaran-tanin' i Ejipta. I Ejipta no firenena be mponina indrindra ao amin' ny Tontolo Arabo. Ny 90 %n' ny mponina dia miozolmana fa ny 10 % kosa dia manaraka ny fivavahana kristiana kôpta (Fiangonana Kôpta Ôrtôdôksa, Fiangonana Katôlika Kôpta, Fiangonana Evanjelika Kôpta).

Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Ejipta. Ny fiteny arabo egiptiana dia fiteny ifaneraserana am-bava ihany.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Samihafa