Ôsetia Atsimo
I Ôsetia Atsimo na Repoblikan' i Ôsetia Atsimo na Ôsetian' i Alania Atsimo dia faritany manan-tsata mbola iadiana hevitra any amin' ny faritr' i Kaokazy any Eorôpa. Atao hoe Хуссар Ирыстон / Khussar Iryston sy Республикӕ Хуссар Ирыстон / Respublikæ Xussar Iryston izy amin' ny teny ôsetiana; Южная Осетия / Yuzhnaya Ossetiya sy Республика Южная Осетия / Respublika Yuzhnaya Ossetiya amin' ny teny rosiana; ary სამხრეთ ოსეთი, / Samkhret Osseti na სამაჩაბლო / Samatchablo amin' ny teny jeôrjiana.
Nisaraka tamin' i Jeôrjia i Ôsetia Atsimo tamin' ny taona 1992 ary nanambara ny tenany ho repoblika mahaleo tena. I Jeôrjia sy ny ankamaroan' ny firenena ao amin' ny Firenena Mikambana dia tsy manaiky izany fahaleovantena izany ary mihevitra an' i Ôsetia Atsimo ho faritra mizaka tena ao amin' ny faritany jeôrjianan' i Kartlia Anatiny. Taorian' ny ady tamin' ny taona 2008 dia neken' i Rosia, i Abkazia, i Transnistria, i Siria, i Nikaragoa, i Venezoelà ary ny nosy Naoro ny fahaleovantenan' i Ôsetia Atsimo.
Io repoblika dia misy mponina 50 000 ao amin' ny veleran-tany mirefy 3 900 km2. Ny renivohiny dia i Tskhinvali . I Anatoly Bibilov no filohany nanomboka ny 21 Avrily 2017.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Lisitry ny firenena any Azia:
- Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jeôrjia - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara (na Birmania) - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singapôro - Siria - Srilankà - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Timôro Atsinanana - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy
Fanjakana mbola misy olana: