Aller au contenu

Fianakaviam-piteny japônika

Avy amin'i Wikipedia
Fitsinjaran' ny fiteny japonika

Ny fiteny japônika dia fianakaviam-piteny madinika izay mamondrona ny fiteny japôney sy fitenim-paritra maro hafa ao Japàna toy ireo fiteny riokio.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]

Mizara roa ny fiteny japônika, dia ny fiteny japôney sy ireo fiteny riokio.

Fiteny japôney

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny japôney dia fiteny any Japàna, tenenin' ny vahoaka japôney. Miteny japôney koa ny Japôney am-pielezana any Brezila sy any Però, any Lima sy ny any Sao Paulo. Nandritra ny tantara dia mihabetsaka ny voambolana ampiasaina ao amin' io fiteny io noho ny findramana teny samihafa: avy amin' ny fiteny sinoa sy avy amin' ny fiteny eorôpeana, indrindra ny fiteny anglisy.

Fiteny riokio

[hanova | hanova ny fango]

Ireto kosa ny fiteny ao amin' ny vondrona riokio: fiteny amamy atsimo, fiteny kikay, fiteny amamy avaratra, fiteny tôko-nô-sima, fiteny ôki-nô-erabo, fiteny ôkinaoaiana, fiteny konigamy, fiteny iôrôna, fiteny miiakô, fiteny iaeiama ary fiteny iônagony

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe

[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-pianakaviam-piteny

[hanova | hanova ny fango]