Aller au contenu

Fiovan-tarehin' i Jesoa

Avy amin'i Wikipedia
Fiovan-terehin' i Jesoa, sary nataon' i Carl Bloch.

Ny fiovan-tarehin' i Jesoa na fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra na Fiovan-tarehy dia zava-nitranga teo amin' ny fiainan' i Jesoa Kristy tantarain' ny Testamenta Vaovao, izay nampiova ny endrik' i Jesoa ara-batana ka nampamirapiratra ny tarehiny amim-boninahitra, nandritra ny fotoana fohy niainany teto an-tany, teo an-tampon' ny tendrombohitra iray, teo anatrehan' ny mpianatra telo, dia i Petera sy i Jakôba ary i Joany (na Jaona) izany. Izany fiovan-tarehy izany, izay heverina ho fahagagana, dia voalaza ao amin' ny Filazantsara telo sinôptika (Matio 17:1-9, Marka 9:2-9, Lioka 9:28-36) sy ao amin' ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera (2Pet 1:16–18). Izany, araka ny kristianisma, dia ny tandindon' ny toetry ny vatana, nambara amin' ny mpino, amin' ny fitsanganany amin' ny maty.

Ao amin' ny fitantaran' ny filazantsara, i Jesoa sy ny telo tamin' ny Apôstôliny, dia i Petera sy i Jakôba ary i Joany, dia nankany amin' ny tendrombohitra iray (antsoina hoe Tendrombohitry ny Fiovan-Tarehy) mba hivavaka. Teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia nanomboka namirapiratra niaraka amin' ny tara-pahazavana mamirapiratra i Jesoa. Avy eo dia niseho koa ny olo-malaza ao amin' ny Testamenta Taloha: i Mosesy sy Elia, ka niresaka tamin' izy ireo izy. Samy nanana ny anjara asany momba ny eskatôlôjia ireo olona roa ireo: maneho ny Lalàna sy ny mpaminany izy ireo. Avy eo ny feon' Andriamanitra Ray niantso an' i Jesoa hoe "Zanaka", toy ny tamin' ny fanaovam-batisa an' i Jesoa.

Ny Fiovan-tarehy, sary nataon’ i Rafael, tokony tamin' ny yaona 1520

Ao amin’ ny teny grika kôine tany am-boalohany, ny teny hoe μετεμορφώθη / metemorphōthē, izay midika hoe "niova izy” na "novana izy", dia ampiasaina hilazana ilay zava-nitranga ao amin’ ny Filazantsara araka an' i Lioka sy Filazantsara araka an' i Marka. Ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Grika, izany zava-nitranga izany izany dia antsoina hoe metamorphosis.

Fombam-pivavahana kristianina maro, anisan' izany ny Ôrtôdôksa Tatsinanana sy ny Eglizy Katôlika (amin' ny 6 Aogositra ao amin' ny kalandrie litorjikany) dia mankalaza izany zava-nitranga izany amin' ny Fetin' ny Fiovan-tarehy. Fiangonana prôtestanta maro (indrindra ny Loterana sy ny Anglikana) no mankalaza izany amin' ny Alahady farany amin' ny vanim-potoan' ny Epifania.