Aller au contenu

Kanory (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
I Ali Modu Sheriff, mpanao pôlitika kanory sady governoran' ny Fanjakana Borno teo aloha ao Nizeria, 2007

Ny Kanory dia vahoaka ao Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany monina akaikin' ny Farihy Tchad: any amin' ny tapany avaratra-atsinanana amin' i Nizerià ao amin' ny Empiran' i Bornu sy Kanem taloha ao Nizera, ao Tsady, ao Sodàna, ao Libia ary ao Kamerona.

Ny fanisam-bahoaka nizeriana tamin' ny taona 1988 dia nanombana fa 320 000 ny isan' ny Kanory mipetraka ao amin' io firenena io ary 2,5 tapitrisa amin' izao fotoana izao any amin' ny firenena samihafa onenan' izy ireo, ka toy izao ny fitsinjarany tamin' ny taona 2021: tao Nizerià (niisa 3 720 000), tao Tsady 2 620 000, tao Nizera 1 540 000, tao Kamerona 1 300 000, tao Sodàna 1 100 000, ary tao Libia 140 000.

Tsy toy ny vondrom-poko Tobo na Zagaoa mpifanolo-bodirindrina aminy ny Kanory fa mpiorim-ponenana araka ny fombany nentim-paharazana, izay nirotsaka amin' ny fambolena sy fanjonoana ao amin' ny faritanin-dranon' i Tchad, ny varotra ary ny fanodinana sira.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]