Tany mainty
Apparence
Ny tany mainty dia fifangaroan' ny tany sy zavatra ôrganika lo, indrindra ny ravina. Tokony havahana ny tany mainty be tanimanga sy ny tany mainty fasehana arakaraka ny fibahan-toeran' ny iray amin' ireo taharo ireo ao anatin' ilay fifangaroanan. Na izany aza, mora ny miasa amin' ny tany mainty satria ny toetrany vokatry ny fitambaran-tsinga dia misakana ny fisian' ny hirika betsaka loatra amin' ny tany fasehana, na ny hakitroka ambony loatry ny tanimanga. Ny sosona ambonin' ny nofon-tany dia matetika tany mainty, izay mety saika ho an' ny zavamaniry rehetra.