Aller au contenu

Faritanin' i Ilam

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritanin' i Ilam

Ny Faritanin' i Ilam dia iray amin' ny faritany iraika amby telopolo ao Iràna. Any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ilay firenena no misy azy, eo amin' ny sisin-tanin' i Iràka. Ny renivohiny dia ny tanànan' i Ilam. Ny velarany dia 20 133 km2.

Ny tanànan-dehibe ao amin' ilay faritany dia: i Ilam, i Mehran, i Dehloran, i Dareh Shahr, i Shirvan Va Chardavol, i Arakvaz, i Malek Shahi, i Aivan ary i Abdanan. Ity faritany ity dia voahodidin' i Khuzestan any atsimo, i Lorestan any atsinanana, ny Faritanin' i Kermanshah any avaratra ary i Iràka any andrefana izay manana sisintany iraisana 425 kme. Ny isa-mponiny dia 545 000 eo ho eo (tombana tamin' ny taona 2005).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]