Aller au contenu

Filazantsara araka an' i Lioka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Filazantsara araka an'i Lioka)
Ny fanambaràn' ny anjely ny hahaterahan' ny Mpamonjy, sary nataon' i Bartolomé Esteban Perez Murillo (1655-1660)

Ny Filazantsara araka an' i Lioka, na Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka, na Evanjely araka an' i Masindahy Lioka dia fahatelo amin' ny Filazantsara na Evanjely ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly. Sahala amin' ny mpanoratra ny Vaovao Mahafaly araka an' i Matio dia mitantara koa ny amin' ny fahaterahan' ny Mpamonjy ity Evanjely fahatelo ity: "fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan' i Davida, dia Kristy Tompo." (Lio. 2:11, Ny Baiboly) izay manambara sahady ny antony niavian' i Jesoa ety an-tany.

Porofoin' i Jesosy amin' ny alalan' ny fanasitranana maro ara-batana sy ara-panahy nataony ny maha marina ny asany: "Fa efa tonga ny Zanak' olona hitady sy hamonjy ny very" (Lio. 19:10). Tsy maintsy ialohavan' ny hazofijaliana anefa izany famonjena izany. Manomboka eo amin' ny toko faha-9 dia efa mitombo ny fanoherana an' i Jesoa, izay tonga amin' ny fara tampony tamin' ny famantsihana azy tamin' ny hazofijaliana (toko faha-22 sy faha-23). Taorian' ny fitsanganan' i Jesosy tamin' ny maty dia naniraka ny mpianany izy hanambara amin' ny olombelona rehetra fa izy no Mpamonjy.

Anisan' ny Filazantsara sinôptika ny Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka. Teo anelanelan' ny taona 70 sy 100 no mety nanoratana azy. Misy toko 24 ity boky ity.

Ny anaran' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe Filazantsara araka an' i Lioka, na Evanjely araka an' i Lioka, dia fanagasiana ny teny grika hoe Kατὰ Λουκᾶν εὐαγγέλιον izay vakina hoe Kata Loukân euangélion. Amin' ny teny latina dia Evangelium secundum Lucam no iantsoana azy.

Manoratra hoe Evanjely araka an' i Masindahy Lioka na Evanjely nosoratan' i Masindahy Lioka ny Katôlika malagasy. Ny Prôtestanta malagasy kosa dia manao hoe Filazantsara araka an' i Lioka na Filazantsara nosoratan' i Lioka. Atao hoe Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka na Vaovao Mahafaly nosoratan' i Lioka koa ny Evanjely fahatelo. Araka ny lovantsofina kristiana dia i Lioka no nanoratra io Filazantsara io.

Fiforonan' ilay boky

[hanova | hanova ny fango]

Mpanoratra

[hanova | hanova ny fango]

Milaza ny lovantsofina kristiana fa i Lioka no nanoratra ny Filazantsara mitondra ny anarany.

Fotoana nanoratana

[hanova | hanova ny fango]

Teo anelanelan' ny taona 70 sy 100 no nanoratana Filazantsara araka an' i Lioka.

Lohahevi-dehibe

[hanova | hanova ny fango]

Nosoratana ho an' ny Jentilisa na Jentily, izany hoe ny vahoaka tsy Jody (tsy Jiosy) ny Filazantsaran' i Lioka, ka izany no mampisy fifanahafana eo amin' ny fomba filazany sy fampianarany amin' ny an' i Paoly. Toa an' i Paoly dia manantitra ny maha an' ny olon-drehetra tsy anavahana firenena ny famonjena i Lioka. Tian' ny mpanoratra hiantefa amin' ny olon-drehetra ny hafatra ao amin' ny Evanjelin' i Lioka raha oharina amin' ny an' i Matio sy ny an' i Marka, ka mametraka ny tena sy ny asan' i Jesoa ao amin' ny tantaran' izao tontolo izao fa tsy an' ny Jiosy irery ihany. Manantitra ny maha an' ny olon-drehetra an' i Jesoa Kristy ny tetiarany. Manantena ny fotoana hitoriana ny tenin' i Jesosy any amin' ny firenena rehetra i Lioka (Lio 24:47). Mampiavaka ny Filazantsaran' i Lioka ny fitakiany ny hanjakan' ny fahamarinana eo amin' ny fiarahamonina, indrindra eo amin' ny mpanana sy ny mahantra, isahiranany koa ireo izay atao hoe "mpanota" sy ireo izay voailiky ny fiarahamonina. Farany, tsy nataony ambin-javatra ny vehivavy, ka tsy itovizany amin' ny Evanjely hafa izany (Lio 7:11-17; 7:36-50; 8:1-3).

Loharano nanovozana

[hanova | hanova ny fango]

Sahala amin' ny an' i Marka ny firafitry ny Filazantsara araka an' i Lioka. Izao no maha samy hafa azy: mivelatra kokoa ny an' i Lioka satria misy lahatsoratra fanampiny (Lio. 6:20 – 8:3; 9:51 – 18:14). Araka ny petra-kevitry ny loharano roa, ireo fanampiny ireo dia vokatry ny fanangonana ny resaka nataon' i Jesoa (Logia), izay nomena ny anarana nifanarahana hoe "Loharano Q", sy lovantsofin' ny Filazantsaran' i Lioka manokana, izay nomena anarana hoe "Loharano L". Fanafohezana ny teny alemàna hoe Quelle izay midika hoe "loharano" ny litera Q; teny grika midika hoe "teny" ny hoe Logia (grika: λόγια); ary fanafohezana ny hoe Lioka ny hoe L.

Fizaràn' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina efatra lehibe ny Evanjelin' i Lioka:

  • Fahaterahana sy fahazazana ary fiomanan' i Jesoa (1:1 - 4:13)
  • I Jesoa tany Galilea (4:14-9:50)
  • I Jesoa mankany Jerosalema (9:51-19:27)
  • I Jesoa tao Jerosalema (19:28-24:53)

Fahaterahana sy fahazazana ary fiomanan' i Jesoa (1:1 - 4:13)

[hanova | hanova ny fango]
Fakan' ny Devoly fanahy an' i Jesoa, sary nataon' i Félix Joseph Barrias

Fahaterahana sy fahazazana (1:1 - 2:51)

[hanova | hanova ny fango]
  • Fitarihan-teny (1:1-4)
  • Filazana mialoha ny hahaterahan' i Joany Batista (1:5-25)
  • Filazana mialoha ny hahaterahan' i Jesosy (1:26-38)
  • Tany amin' i Elizabeta i Maria (1:39-56)
  • Fahaterahan' i Joany (1:57-80)
  • Fahaterahan' i Jesosy (2:1-20)
  • Nentina tany an-tempoly i Jesosy (2:21-40)
  • Niaraka amin' ny raby i Jesosy tamin' ny faha-12 taonany (2:41-51)

Fiomanana amin' ny asa fanompoana (3:1-4:13)

[hanova | hanova ny fango]
  • I Joany Batista, mpitondra hafatr' Andriamanitra (3:1-19)
  • Ny nanaovam-batisa na batemy an' i Jesoa (3:21-22)
  • Ny tetiaran' i Jesoa (3:23-38)
  • Ny nakan' ny devoly fanahy an' i Jesoa (4:1-13)

I Jesoa tany Galilea (4:14-9:50)

[hanova | hanova ny fango]
Fanasitranana ilay lehilahy malemy tanana
  • I Jesoa, mpanompo voafidin' Andriamanitra (4:14-30)
  • Fandroahana fanahy ratsy sy fanasitranana tao Kafarnahoma na Kapernaomy (4:31-44)
  • Ny mpianatra efatra voalohany (5:1-11)
  • Nanasitrana marary sy namela fahotana i Jesoa (5:12-26)
  • Fiantsoana an' i Levy (izany hoe i Matio) sy fanoherana an' i Jesoa (5:27-32)
  • Ny vaovao sy ny tonta (5:33-39)
  • I Jesoa, tompon' ny Sabata (6:1-11)
  • I Jesoa nisafidy ny mpianatra 12 lahy sy teo amin' ny vahoaka (6:12-19)
  • Lahateny ny amin' ny hasambarana sy ny loza (6:20-26)
  • Fitiavana ny hafa hatramin' ny fahavalo (6:27-43)
  • Ny tena mpanara-dia an' i Jesoa (6:44-49)
  • Fandresena ny aretina sy ny fahafatesana (7:1-17)
  • I Jesoa sy i Joany Batista (7:18-35)
  • Fitiavana vokatry ny fandraisam-pamelan-keloka (7:36-50)
  • Fanoharana ny amin' ny mpamafy sy ny jiro (8:1-18)
  • Ny tena fianakavian' i Jesoa (8:19-21)
  • Mahery noho ny rivodoza sy ny demony sy ny aretina ary ny fahafatesana (8:22-39)
  • Fanirahana ny mpianatra 12 lahy (9:1-6)
  • I Herôda sy i Jesoa (9:7-9)
  • Mofo dimy sy hazandrano roa (9:10-17)
  • I Jesoa araka ny hevitr' i Petera (9:18-22)
  • Fomba fanarahana an' i Jesoa sy ny filazany mialoha ny fijaliany (9:23-27)
  • Fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra (9:28-36)
  • Fanasitranana ilay zaza voan' ny androbe (9:37-43)
  • Filazana mialoha fanindroany ny hahafatesan' i Jesoa (9:44-45)
  • Fandraisana ny "madinika" (9:46-50)
Fanasitranana ny boka folo, sary nataon' i James Tissot

I Jesosy mankany Jerosalema (9:51-19:27)

[hanova | hanova ny fango]
  • Fanoherana tao Samaria (9:51-56)
  • Firotsahana an-tsehatra amin' ny fanarahana an' i Jesosy (9:57-62)
  • Fanirahana ny mpianatra 72 (10:1-24)
  • Fanoharana ny amin' ilay Samaritana tsara fanahy (10:25-37)
  • Ny amin' i Marta sy i Maria (10:38-42)
  • Fampianarana mivavaka (11:1-13)
  • Andriamanitra sa i Belizaboba (11:14-28)
  • Famantarana sy fahazavana (11:29-36)
  • Ny faharatsian' ny Fariseo (11:37-54)
  • Mitoky amin' Andriamanitra fa tsy amin-javatra hafa (12:1-34)
  • Miasà na dia eo am-piandrasana ny fiverenan' ny Tompo (12:35-48)
  • Fisarahana noho ny amin' i Jesosy (12:49-52)
  • Fahaiza-mamantatra (12:53-59)
  • Tokony hibebaka sy hahitam-bokatra (13:1-9)
  • Fanasitranana amin' ny andro Sabata (13:10-17)
  • Fanoharana ny amin' ny voantsinapy sy ny lalivay/masirasira (13:18-21)
  • Ny fidirana ao amin' ny Fanjakan' Andriamanitra (13:22-30)
  • Te hamono an' i Jesosy i Herôda, hoy ny Fariseo (13:31-35)
  • Nanasitrana amin' ny andro Sabata indray (14:1-6)
  • Fahaiza-manetry tena sy mitsinjo ny madinika (14:7-14)
  • Fanoharana ny amin' ny olona nahazo fanasana (14:15-24)
  • Mahafoy ny zavatra rehetra amin' ny fanarahana an' i Jesosy (14:25-35)
  • Very ka hita indray ny ondry sy ny firavaka ary ny zanaka (15:1-32)
  • Ny vola sy ny Lalàna manoloana ny Fanjakan' Andriamanitra (16:1-31)
  • Fandeferana sy finoana ary fanetren-tena (17:1-19)
  • Ny hahatongavan' ny Fanjakan' Andriamanitra (17:20-37)
  • Fanoharana ny amin' ilay mpitsara tsy marina (18:1-8)
  • Fanoharana ny amin' ny Fariseo sy mpamory hetra (18:9-14)
  • Raisin' i Jesosy ny zazakely (18:15-17)
  • Ny mpanan-karena sy ny Fanjakan' Andriamanitra (18:18-30)
  • Fanambaràn' i Jesosy fanintelony ny fijaliany (18:31-34)
  • Fampahiratana ilay jamba teo akaikin' i Jerikô (18:35-43)
  • Famonjena an' i Zakaiosy (19:1-10)
  • Fanoharana ny amin' ny fampiasam-bola (19:11-27)

I Jesoa tao Jerosalema (19:28-24:53)

[hanova | hanova ny fango]
Fidiran'i Jesoa tao Jerosalema, sary nataon'i Giotto di Bondone, taonjato faha-14

Asa fanompoan' i Jesoa tao Jerosalema (19:28-21:37)

[hanova | hanova ny fango]
  • Fidiran' i Jesoa amin' ny maha Mesia azy tao Jerosalema (19:28-40)
  • Nitomany an' i Jerosalema i Jesoa (19:41-44)
  • Nanadio ny tempoly i Jesoa (19:45-47)
  • Ny fahefan' i Jesoa (20:1-19)
  • Ny amin' ny hetra aloa ho an' ny Kaisara (20:20-26)
  • Ny amin' ny fitsanganan-ko velona (20:27-40)
  • Fahadisoan-kevitry ny mpanora-dalàna ny amin' i Kristy (20:41-47)
  • Ny rakitr' ilay vehivavy mpitondra tena (21:1-4)
  • Ny amin' ny handravana an' i Jerosalema amin' ny fiavian' ny Zanak' olona (21:5-37)
I Kristy milanja hazo fijaliana, sary nataon' i Sebastiano del Piombo, taona 1513-1514

Fahafatesana sy fitsanganan' i Jesosy tamin' ny maty (22:1-24:53)

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]